Lesona › Andro 26

Verbe ALLER au présent

📅 Andro 26 📚 Dingana 1 ⏱️ 25 minitra

Tanjona androany

Androany dia hianarantsika ny verbe "aller" (mandeha). Verbe tsy ara-dalàna (tsy midika izany hoe diso na hoe tsy azo ampiasaina fa tena fampiasa ny atao hoe tsy ara dalàna eto dia tsy manaraka ny lalànan'ny verbe rehetra izy rehefa ampiasaina ) io fa tena ilaina. Ampiasaina koa izy hanao "futur proche" (ho avy akaiky).

Conjugaison: ALLER au présent

Je vais [ʒə vɛ] Mandeha aho
Tu vas [ty va] Mandeha ianao
Il/Elle/On va [il/ɛl/ɔ̃ va] Mandeha izy
Nous allons [nuz alɔ̃] Mandeha isika/izahay
Vous allez [vuz ale] Mandeha ianareo/ianao
Ils/Elles vont [il/ɛl vɔ̃] Mandeha izy ireo

Fanazavana

ALLER + à/au/aux/en + toerana:

Rehefa milaza ny toerana aleha, ampiasaina:

- à + tanàna: à Paris, à Antananarivo

- au (à + le) + firenena masculin: au Japon, au Canada

- aux (à + les) + pluriel: aux États-Unis

- en + firenena féminin na manomboka voyelle: en France, en Italie

Je vais à l'école. = Mandeha any an-tsekoly aho.

Tu vas au marché. = Mandeha any an-tsena ianao.

Elle va en France. = Mandeha any Frantsa izy.

Nous allons à la plage. = Mandeha any an-tora-pasika isika.

ALLER + chez

Chez = any amin'ny (olona na toeram-piasana):

Je vais chez le médecin. = Mandeha any amin'ny dokotera aho.

Tu vas chez tes parents. = Mandeha any amin'ny ray aman-dreninao ianao.

On va chez Marie. = Mandeha any amin'i Marie isika.

Comment ça va? - Fiarahabana

Ny verbe "aller" dia ampiasaina koa amin'ny fiarahabana:

Comment allez-vous? = Manao ahoana ianao? (ara-pomba)

Comment vas-tu? = Manao ahoana ianao? (tsy ara-pomba)

Ça va? = Salama? / Manao ahoana?

Je vais bien, merci. = Salama tsara aho, misaotra.

Ça va bien. = Tsara.

Ça ne va pas. = Tsy tsara. / Tsy salama.

Futur proche: ALLER + infinitif

Ny verbe "aller" + infinitif dia manao "futur proche" (ho avy akaiky):

Je vais manger. = Hihinana aho. (akaiky)

Tu vas partir. = Handeha ianao.

Il va pleuvoir. = Hisy orana.

Nous allons travailler. = Hiasa izahay.

Qu'est-ce que tu vas faire? = Inona no hataonao?

Io no fomba mora indrindra hilazana ny ho avy!

Fanazaran-tena

Fenoy: "Nous ______ au cinéma."

vas
vais
allons
vont

Tsarovy

✓ Je vais | Tu vas | Il/Elle va

✓ Nous allons | Vous allez | Ils/Elles vont

✓ Aller à + tanàna (à Paris)

✓ Aller au + firenena masc. (au Japon)

✓ Aller en + firenena fém. (en France)

✓ Aller chez + olona (chez le médecin)

✓ Aller + infinitif = futur proche (Je vais manger)