Lesona › Andro 16

Un, Une, Des - Article indéfini

📅 Andro 16 📚 Dingana 1 ⏱️ 20 minitra

Tanjona androany

Tamin'ny lesona 6 dia nianarantsika ny article défini (le, la, les). Androany kosa dia hianarantsika ny article indéfini (un, une, des). Samy ilaina izy roa ireo amin'ny fehezanteny frantsay.

Ny article indéfini

Un [œ̃] Iray (ho an'ny masculin)
Une [yn] Iray (ho an'ny féminin)
Des [de] ... (maro, tsy voafaritra ny isa)

Fanazavana

Inona ny fahasamihafan'ny article défini sy indéfini?

Article défini (le, la, les): Ampiasaina rehefa miresaka zavatra voafaritra, fantatra, efa resahina.

Le livre est sur la table.

Eo ambony latabatra ny boky (ilay boky fantatra) Misy dikany be ilay hoe "Ilay". Izany hoe efa fantatrao hoe inona ilay boky resahana eto mety hoe boky notadiavinao ohatra dia nisy niteny hoe Io ambony latabatra io ilay boky / défini izy izany hoe efa fantatra manokana.

Article indéfini (un, une, des): Ampiasaina rehefa miresaka zavatra tsy voafaritra, tsy fantatra, vaovao resahina.

Il y a un livre sur la table.

Misy boky iray eo ambony latabatra (boky iray tsy fantatra). Izany hoe boky mipetraka eo fotsiny boky otran'ny ankamaroan'ny boky tsy voafaritra manokana hoe inona na hoe an'iza fa boky fotsiny.

Ohatra mazava kokoa:

J'ai un chien. = Manana alika iray aho. (vaovao resahina)

Le chien est gentil. = Tsara fanahy ilay alika. (efa fantatra ilay alika)

Fampiasana ny "des"

Ny "des" dia ampiasaina rehefa miresaka zavatra maro tsy voafaritra ny isa:

J'ai des amis.

Manana namana (maro) aho. (tsy voafaritra ny isa)

Il y a des livres sur la table.

Misy boky (maro) eo ambony latabatra.

Elle achète des fruits.

Mividy voankazo (maro) izy.

Mariho: Amin'ny teny Malagasy, matetika dia tsy misy dikany mitovy amin'ny "des". Tsy maintsy misy anefa izy amin'ny frantsay.

Des → De amin'ny négation

Rehefa fandavana (négation), ny "un", "une", "des" dia lasa "de" na "d'":

✓ J'ai un chat. → ✓ Je n'ai pas de chat. Fa tsy hoe je n'ai pas un chat (diso)

Manana saka aho. → Tsy manana saka aho.

✓ J'ai des amis. → ✓ Je n'ai pas d'amis. !Pas des amis dia diso!

Manana namana aho. → Tsy manana namana aho.

✗ Je n'ai pas un chat. (diso)

✗ Je n'ai pas des amis. (diso)

Fampitahana

Article défini Article indéfini
Masculin singulier le (l') un
Féminin singulier la (l') une
Pluriel les des

Fanazaran-tena

Fenoy: "Je n'ai pas _____ argent."

un
des
d'
une

Tsarovy

✓ Un = iray (masculin): un livre, un chat

✓ Une = iray (féminin): une table, une maison

✓ Des = maro (tsy voafaritra): des livres, des amis

✓ Amin'ny négation: un/une/des → de/d'

✓ Article défini = zavatra fantatra / Article indéfini = zavatra tsy fantatra