Fiarahabana tsotra
Tanjona androany
Androany dia hianarantsika ny fomba miarahaba olona amin'ny teny frantsay. Tena ilaina izany satria io no teny voalohany lazainao rehefa mifanena amin'olona.
Teny vaovao
Fanazavana
Ao amin'ny teny frantsay, misy fahasamihafana lehibe ny fomba miteny amin'ny olona tsy fantatra (vouvoiement) sy amin'ny namana (tutoiement).
Vouvoiement (Vous): Ampiasaina amin'ny olona tsy fantatra, olona lehibe noho ianao, olona hajaina. Ohatra: "S'il vous plaît", "Excusez-moi".
Tutoiement (Tu): Ampiasaina amin'ny namana, fianakaviana, ankizy. Ohatra: "S'il te plaît", "Salut".
Amin'ny olona tsy fantatra: Bonjour, excusez-moi...
Amin'ny namana: Salut!
Ny "Bonjour" dia ampiasaina manomboka maraina ka hatramin'ny 6 ora hariva eo ho eo. Aorian'izay dia "Bonsoir". Ny "Bonne nuit" kosa dia rehefa hatory na hisaraka amin'ny alina. Ary fanamarihana ihany koa ny s'il te/vous plaît sy ny désolé sy Excusez-moi dia tsy mitovy ny iray fiangaviana ex: s'il te plaît aide moi dia midika hoe Mba miangavy anao aho anampy ahy fa raha hoe pardon indray nefa dia lasa hoe Azafady mba omeo fanampiana aho.
Resadresaka ohatra
- Bonjour!
- Manahoana!
- Bonjour! Comment allez-vous?
- Manahoana! Manao ahoana ianao? (ara-pomba)
- Ça va?
- Salama? / Manao ahoana? (tsy ara-pomba)
- Ça va bien, merci. Et vous?
- Tsara, misaotra. Ary ianao?
- Au revoir, bonne journée!
- Veloma, soa aman-tsara!
Fanazaran-tena
Inona no lazainao rehefa hisaraka amin'ny olona amin'ny alina?
Tsarovy
✓ Bonjour = Manahoana (antoandro)
✓ Bonsoir = Manahoana (hariva)
✓ Salut = Salama (namana)
✓ Au revoir = Veloma
✓ Merci = Misaotra
✓ S'il vous plaît = Azafady (fiangaviana)(ara-pomba)