Lesona › Andro 21

Ny négation: Ne...pas

📅 Andro 21 📚 Dingana 1 ⏱️ 20 minitra

Tanjona androany

Androany dia hianarantsika ny fomba manova fehezanteny ho fandavana (négation). Amin'ny Malagasy, ampiasaina ny "tsy". Amin'ny frantsay, ampiasaina "ne...pas" manodidina ny verbe.

Fitsipika fototra

Ny fitsipika dia tsotra: apetraho ny "ne" eo alohan'ny verbe, ary ny "pas" eo aoriany.

Rafitra: Sujet + NE + verbe + PAS + ...

✓ Je parle. → Je ne parle pas.

Miteny aho. → Tsy miteny aho.

✓ Tu manges. → Tu ne manges pas.

Mihinana ianao. → Tsy mihinana ianao.

✓ Il travaille. → Il ne travaille pas.

Miasa izy. → Tsy miasa izy.

NE → N' eo alohan'ny voyelle

Rehefa ny verbe manomboka amin'ny voyelle (a, e, i, o, u) na "h" moana, ny "ne" dia lasa "n'":

J'aime → Je n'aime pas

Tiako → Tsy tiako

J'habite (trano fonenana) → Je n'habite pas

Mipetraka aho (tsy mipetraka ohatra hoe eo ambony seza fa trano fonenana ilay resaka eto)→ Tsy mipetraka aho

Il est → Il n'est pas

Izy dia → Tsy izy

Négation amin'ny verbe être sy avoir

ÊTRE:

Je suis malgache. → Je ne suis pas malgache.

Elle est fatiguée. → Elle n'est pas fatiguée.

Nous sommes prêts. → Nous ne sommes pas prêts.

AVOIR:

J'ai faim. → Je n'ai pas faim.

Tu as de l'argent. → Tu n'as pas d'argent.

Il a une voiture. → Il n'a pas de voiture.

Tsarovy: Amin'ny négation, ny "un/une/des/du/de la" dia lasa "de" na "d'":

J'ai un chat. → Je n'ai pas de chat.

J'ai des amis. → Je n'ai pas d'amis.

Je mange du pain. → Je ne mange pas de pain.

Négation hafa

Misy négation hafa ankoatra ny "ne...pas":

Ne...jamais [nə...ʒamɛ] Tsy... mihitsy / Tsy mbola
Ne...plus [nə...ply] Tsy... intsony
Ne...rien [nə...ʁjɛ̃] Tsy... na inona na inona
Ne...personne [nə...pɛʁsɔn] Tsy... na iza na iza

Je ne mange jamais de viande. = Tsy mihinana hena mihitsy aho.

Il ne travaille plus. = Tsy miasa intsony izy.

Je ne vois rien. = Tsy mahita na inona na inona aho.

Il n'y a personne. = Tsy misy olona.

Fanazaran-tena

Ovay ho négation: "J'aime le café."

Je ne aime pas le café.
Je pas aime le café.
Je n'aime pas le café.
Je aime ne pas le café.

Tsarovy

✓ Négation: NE + verbe + PAS

✓ NE → N' eo alohan'ny voyelle (n'aime pas, n'est pas)

✓ Un/une/des/du/de la → DE/D' amin'ny négation

✓ Ne...jamais = tsy mihitsy

✓ Ne...plus = tsy intsony

✓ Ne...rien = tsy na inona na inona